ActualitésTsidika

Fanatanjahantena : Mpilalao avy amin’ny Barea CHAN nahazo fifanarahana avy amin’ny firenena ivelany

Nampiseho ny fahaizany tanteraka ireto Barea CHAN ireto izay nahatafiakatra azy ireo tamin’ny lalao manasa-dalana tamin’ity lalao ity. Sambany vao nilalao izany CHAN izany izy ireo izao nahazo anaram-boninahitra ho ekipa mendrika tamin’ny mpanaraka maro an’isa izao. Taorian’izany lalao rehetra izay efa natrehana izany dia efa misy ireo firenena hafa no manara-maso ny fahaizan’izy ireo ka efa mpilalao miisa telo amin’izao fotoana no nahazo fifanarahana hilalao ao amin’ny fireneny. Voninahitrta ho an’ny Malagasy ny maheno fa manam-pahaizana ireo mpilalao ireo.

« Noraisin’ny Mouloudia Club d’Alger hilalao ao aminy i Rakoul na i Koloina Razafindranaivao izay mpilalao nivoatra tao amin’ny CFFA Andoharanofotsy. Izy no voafidy ho mpilalao nahafaty baolina betsaka indrindra nandritra ity CHAN ity ka izao izy nisy niantso izao. Mahafinaritra ny mandre vaovao tahaka izany izay mirary azy ny tsara hatrany », hoy ny avy ao amin’ny Federasiona Malagasy.

Ankoatra an’i Rakoul dia nahazo fifanarahana hilalao sy hivoatra eo anatrehan’ny Saint-Pauloise Football Club any La Réunion i Rojolalaina Andriamanjato avy ao amin’ny Ajesaia sy i Tsito Razafindrasata izay voaray ao amin’ny USS Tamponnaise ao La Réunion ihany koa. « Ny fotoana toy itony no tena ahitana ny fahaizan’ireto mpilalao Malagasy ireto ka izao ny vokatry fiezahana sy ny fahaizana mandray lesona ka mivaotra hatrany », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny CFFA Andoharanofotsy.

Hivoatra amin’ireo ekipam-pirenena vahiny ireo izy ireo mandritra ny fotoana izay voafaritra ao anatin’ny fifanarahana. Tsy manakana azy ireo tsy hiaro ny voninahi-pirenena anefa izany rehetra izany toy ireo Barea zokiny rehetra. Fotoana iray fanararaotra ny lalao iraisam-pirenena na amin’ny sehatra inona na amin’ny sehatra inona ka tokony hararaotina ho an’ireo izay maniry ny hivoatra amin’ny tontolo hafa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire