ActualitésTsidika

Soavinandriana Itasy : Olona 800 no niara-nientana namboly volobe

Nanatanteraka fambolena volobe tamin’ny velarana 110 Ha tany Ambohitrimanjaka sy Miadamanjaka ary Soavinandriana ny olona miisa 800. Fokonolona teny amin’ny manodidina ny toerana nanaovana ny fambolena ireto niara-nisalahy ireto.

« Tsapa ary hita ny maha zava-dehibe ny volobe amin’ny fiainantsika. Efa mitady ho lany tamingana izany anefa ankehitriny. Ny fambolena no tena vahaolana akaiky indrindra » hoy i Samuel, mponina ao Miadamanjaka. « Volobe 4 000 no voavoly. Isaorana indrindra ireo fokonolona sy izay nanolo-tanàna rehetra izany toy ny Polisim-pirenena sy Zandarimariam-pirenena ary ieo sampan sian-karazany » hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Itasy, izay nitarika ny fambolena.

« Ny Cantonnement Soavinandriana miaraka amin’ny ONG Mamiratra sy ny sampandraharahan’ny rano ary ny kaominina no manao ny fiarovana sy fikolokoloana ny zanankazo voavoly. Isaorana indrindra azy ireo izany fanoloran-tena goavana izany » hoy ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy.

Tena ilaina tokoa ny volobe eto amintsika. Sady azo ahodina ho asa tanana izy ho lasa vola no mamonjy sy manarina ny tontolo iainana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire