Glaucus atlanticus : Biby tsara loko ny « Dragon bleu »
Biby an-draniomasina karazana « nudibranches » ao amin’ny fianakavian’ny « Glaucidae » ny « Dragon bleu » na « Hirondelle de mer » omena ny anarana siantifika hoe « Glaucus atlanticus ». Karazana « mollusque gastéropode » izy io izay faritana hoe kanto nohon’ny endriny sy ny lokony fotsy, mifangaro volon-davenina ary karazana manga.
Any amin’ny rano mafana (tempéré) sy tropikaly no tena ahitana ny « Glaucus atlanticus ». Mitsingevana eny ambonin’ny rano miaraka amin’ny «pleuston » izy io. Ny « hydrozoaires » osa sakafon’io biby io ary mahatonga azy manindrona izany.
