ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Omena sehatra amin’ny fampandrosoana ny Kaomina ireo manana fahasembanana

Nosokafana ny 28 septambra ary nitohy ny 29 septambra ny atrik’asa fampiofanana ireo lehiben’ny fokontany sy ireo « agents communautaires » ary ireo mpisehatra maro eo amin’ny tobim-pahasalamana ao amin’ny Kaominina Ambohimangakaley. Tetikasa sy hetsika hijerena manokana ireo olona manana fahasembanana ao anatin’ny Kaominina izay notarihan’ny rantsamangaika tsy miankina amin’ny governemanta.

Ireo rantsamangaika ety ifotony no nampiofanina mikasika ny fahasembanana sy ny fiaraha-monina satria tokony handray anjara amin’ny fampandrosoana ny kaominina ny olona manana fahasembanana fa tsy mpisitraka ny fampandrosoana fotsiny akory » hoy ireo mpikarakara ny hetsika. « Efa ao anatin’ny tetik’asan’ny Kaominina mihitsy ny hijery ny olona manana fahasembanana sady efa nanome toky nandritra ny fampielezan-kevitra izany, nitady hevitra izahay ny hampandrosoana ireo olona manana fahasembanana eto amin’ny Kaominina » hoy Radafindranaro Thierry, Ben’ny tanàn’Ambohimangakely. « Tokony hanana anjara biriky hampandrosoana ny firenena ny olona manana fahasembanana ka tsy tsy tokony ho atosika ho lavitry ny fiarahamonina ary tompon’andraikitra ny amin’ny fanomezan-danja azy ireo ny tompon’andraiki-panjakana isan’ambaratongany » hoy i Laura, mpiaro ny zon’olombelona. Tsy tokony hijanona eo amin’ny fampahafantarana fotsiny ny hetsika tahaka izao fa tokony ho tsapa mivantana eny amin’ireo olona manana fahasembanana. Efa mahazo vahana eto amintsika ve ny fanomezan-danja ireo olona manana fahasembanana ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire