ActualitésTsidika

Fifamoivoizana: Hampianarina sy beazina amin’ny fampiasana azy ny mpampiasa lalana tsirairay.

Na ireo mpandeha tongotra, mpitondra kodiaran-droa, ireo mpamily fiarakodia, ireo sarety isan-karazany dia samy manana ny lalàna tokony harahiny avokoa. Raha samy manaja izany lalàny izany anefa ireo mpampiasa lalana tsirairay dia hiena ny lozam-pifamoivoizana.

Mateti-pitranga ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny tsy fanajana ny lalàna avy amin’ireo mpamily kodiaran-droa. Izany indrindra no tokony hanampiana ny fanentanana sy ny fampianarana ho an’izy ireny. Betsaka ny tsara ho fantatra ho an’ireo mpamily kodiaran-droa rehetra, zava-dehibe ny mailo alohan’ny hiampita na hanapaka na hiodina an-dalana.

“Ny “base” ny fitondrana kodiran-droa aloha dia ny fampiasana ny aro loha satria saro-pady io loha io raha vaodona. Mialohan’ny hiampitana dia mila jerena tsara ny havia sy havanana sao takona ka tsy hitan’ny olona hafa, eo ihany koa ny fahamailoana sao tsy malalaka ny lalana avy ao aoriana sy ny eo aloha”, hoy ny avy ao amin’ny Riders Scoot Community.

“Mila hamafisina ny fampianarana sy ny fianarana ny code de la route fa ireny no miantoka ny ain’ny tsirairay. Ny an’ireo mpandeha tongotra tokony hatao afisy na halefa amin’ny “télé” sy radio dia ireo mpitondra fiara sy kodiaran-droa mila afka fanadinana familiana ary manaa fanamarinana amin’izany vao afaka mitondra ireny”, hoy i Elisoa, mpamily kodiaran-droa.

Raha samy manaja ny lalàna napetraka ho azy ireo ny mpampiasa lalana tsirairay dia tsy hisy lozam-pifamoivoizana. Mila hapetraka mazava kosa anefa ny fanamarinana fa afaka mamily fiara kodiaran-droa izy ireny. Izany dia miainga any amin’ny fanadinana familiana; izay ahitana kolikoly maro be. Tokony arahi-maso fatratra ireny.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire