ActualitésTatitra

Maroc : Nofaranan’ny firenena ny fampiasana ny fiteny frantsay ho fiteny ofisialy

Manomboka izao dia ny fiteny arabo no teny ofisialy ampiasain’ny Maroc eo amin’ny tontolon’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny orinasa sy ny sekolim-panjakana ary ny tsy miankina. Raha tsiahivina dia ny fiteny frantsay no nampiasain’izy ireo teo aloha na dia maro ary ny fiteny ampiasain’io firenena io. Isan’izany ny darija izay fifangaroana arabo, amazighe, frantsay ary espaniola ; eo ihany koa ny « berbères » izay fampiasa ao Afrique du Nord sy  Sahara-Sahel ary ny fiteny frantsay sy espaniola.

Nohamafisin’ny minisitry ny fiampitana amin’ny nomerika sy ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana tao an-toerana, Ghita Mezzour, fa efa voasoratra ao amin’ny andininy faha – 5 ao amin’ny lalàm-panorenana ao Maroc fa io fanovana ny fiteny ofisialy io. Nanamafy ny tenany fa manomboka izao dia atao amin’io fiteny io avokoa ny fifanarahana rehetra, ny antonan-taratasy samihafa ary ny asa atao miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny firenena.

Laisser un commentaire