Sidina : Hiverina hitatitra olona indray ny Air Austral
Hiverina hitatitra mpandeha indray ny Air Austral rehefa niato nandritra ny fotoana ela noho ny valan’aretina covid-19. Hanomboka anio izany zotra hampitohy an’i la Réunion sy Antsiranana izany.
« Manomboka ny 27 jona no hiverina ny zotra mampitohy an’i La Réunion sy Antsiranana. Isaky ny alakamisy ny zotra miverina Antsiranana-La Réunion. Ny alarobia 28 jona kosa ny zotra mampitohy an’i La Réunion sy Toamasina. Isaky ny alarobia ny zotra miverina Toamasina-La Réunion » hoy ny tompon’andraikitra. Raha tsahivina dia efa nanomboka ny 05 martsa 2022 no efa nisokatra ny lanitr’i Gasikara. Efa maro ankehitriny ireo sidina no efa tafaverina hiasa eto amintsika.
Nicole Rafalimananjara
