Sabotsy Namehana : Lehilahy iray maty teo am-pakana vatan’akondro
Trangam-piaraha-monina iray niseho tao Sabotsy Namehana, ny fiandohan’ny herinandro teo. lehilahy iray no maty teo am-pakana vatan’akondro, ka nisaringotra tamin’ny taribia mitondra herinaratra an’ny jirama, araka ny voalaza.
« Tena tsy nampoizina ny loza. Tonga teto aminay izy hoe haka vatan’akondro. Avy eo anefa nisaringotra tamin’ilay fil an’ny jirama ilay akondro ka iny no nitarika ny fahafatesany » hoy i Andry, mponina teo amin’ny manodidina.
« Tsy misy tompon’ny aina isika kanefa ny fahendrena malagasy dia anisan’ny zava-dehibe ny fitandrovana ny aina amin’ny alalan’ny fisorohana isan-karazany. Tomponandraikitra ny tsirairay ao anatin’izany. Toy ity tranga ity, hita tokoa fa efa tena avo ireo akondro ary iva ireo taribian’ny jirama, ka tsara hatrany ny mitandrina hisorohana ny loza toy izao » hoy i Tefy, mpandalina fiaraha-monina.
Ny aina tsy hananam-piry, hoy ny fitenenana malagasy. Tsara hatrany ny mitandrina ary misoroka ny loza samihafa eny amin’ny fiaraha-monina eny.
