La Réunion : Fantatra ny namono ilay raim-pianakaviana malemy
Fantatra fa lehilahy iray 28 taona no nitsatok’antsy ity raim-pianakaviana malemy Eddy Hoarau ity ny 5 septambra teo tao Tampon rehefa natao ny fanadiadiana. Efa mitsidika matetika io rangahy io ity lehilahy ity raha ny fanazavan’i Caroline Calbo, mpampanoa lalàna ao amin’ny fitsaran’ny Saint-Pierre. Antony tsy nampanano sarotra ny fahitana azy ka voasambotra ny 7 septambra teo ny tenany.Niaiky heloka ity lehilahy ity ary nandalo teo alohan’ny fitsarana ny alakamisy ariva teo ny tenany. Hatezerana kosa no nitarika io fitsatohan’antsy io raha ny fanazavany nandritra ny fanadiadiana natao taminy.
