Royaume-Uni : Nasiam-panovana ny hiram-pirenena
« God Save the King » indray no lohatenin’ny hira faneva vaovaon’i Royaume-Uni raha « God Save the Queen » izany teo aloha. Manoloana ny fahalasan’ny mpanjakavavy Elisabeth II mantsy dia ny zanany lahy no nisolo azy ka natao ho an’ny mpanjakalahy indray ny hira.
Marihana fa hiraina ao Nouvelle-Zélande ihany koa io hira faneva io. Tsy mihira azy ny mpanjaka noho ny tonon’ny hira izay vavaka ho azy. Ny vadiny no mihira izany ho azy. Raha ny fantatra dia tany amin’ny taona 1744 no noraiketina an-tsoratra voalohany io hira io ary tao amin’ny Theatre Royal, Drury Lane no nandrenesana azy voalohany tamin’ny taona 1745 niaraka tamin’ny mozika nataon’i Thomas Arne. Nasian’i Edward Elgar sy Benjamin Britten fanamboaram-peo kosa ny hira taorian’izany.
