Alasora : Tamba-jotra mpivarotra, mpitazona, mpitatitra ary mpifoka rongony tratran’ny zandarimaria
Olona miisa 9 no voasambotry ny zandary brigady Alasora, ny faran’ny herinandro teo noho ny fahatratrarana rongony milanja 47 kilao sy fanaovana kolikoly tamin’ireo zandary tao an-toerana. Araka ny voalaza, efa tambajotrana mpivarotra ambongadiny, mpitazona, mpitatitra ary efa mpifoka rongony ireo voasambotra ireto.
« Noho ny ezaka nataon’ny zandarimaria dia tratra ny tambajotra mpanaparitaka zava-mahadomelina teto Alasora. Fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po nandritra ny fisafoana teny amin’ny fokontany Miadana Alasora no nahitana ireo olon-dratsy ka nanaovana fanadihadiana sy nosamborina avy hatrany » hoy ny avy ao amin’ny brigadin’ny zandarimaria.
« Tena efa ela no nalaza ratsy amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina tety Alasora ary tena nanimba tanora maro izany. Hisaorana ny ezaka ataon’ny zandary ary manantena ny hitohizan’izany hatrany » hoy i Rova, mponina ao Alasora.
Marihina fa tao anatin’izao raharaha izao, dia nikasa hanao kolikoly tamin’ny alalan’ny vola mitentina 4 tapitrisa ariary ireo olon-dratsy ireo mba entina handaminana ity raharaha ity saingy tsy tontosa izany, araka ny famotorana azy ireo.
Manitra Ramanantsoa
