ActualitésTsidika

Arina fandrehitra : Maro ireo vahaolana hialana amin’ny fampiasana saribao sy kitay

Eto Madagsikara dia ny 20% ny fahafatesana dia avy amin’ny aretin’ny taovam-pisefoana avokoa. Io aretina io indray izay avy amin’ny fampiasana saribao sy ny kitao fandrehitra. Ankoatra any aretina anefa dia misy ihany koa ireo olana hafa ateraky ny fampiasana ny saribao sy ny hazo atao kitay.

« Maro ny azo havadika ho arina fandrehitra mba hialana amin’ny fanapahana ala be loatra. Isan-karazany ireo zavatra izay tsy ilaina intsony ka ariana ary antsoina hoe fako. Ilaina anefa izy ireny hahafana manodina azy ho lasa arina fandrehitra indray. Ansian’izany ny ravi-kazo, ny potika mangahazo sy ny maro harfa », hoy ny fanazavana avy amin’ireo mpamadika fako ho lasa arina fandrehitra.

« Nya la efa mihena, ankoatra ny fahalotoan’ny rivotra dia mankarary tokoa ny fandripahana ny ala. Manao ny biio-charbon izahay satria sady miaro ny ala no ty dia manetroka be loatra ka mahasalama kokoa ny ao an-tokantrano izany. Tanjona voalohany lehibe indrindra alinay ny hiaro ny ala eto Madagasikara », hoy ny Filoha Mpitantana ny Centre d’appui au développement rural intégré d’Ambohinaorina (Cadri).

« Raha tena tsy misy iontsony ny saribao dia azonay antoka ny mety ho fampiasana ireny vahaolana izany. Ilay izy anef lafo ka tokony hojerena noho izany ny fomba hatao hanamorana ny vidiny », hoy i Felana, renim-pianakaviana mbola anatin’ny fampiasana ny saribao handrahoana sakafo hatrany.

Efa maro ireo fikambanana na olon-tsotra misehatra amin’izany famadihana zavatra hafa ho arina fandrehitra izany ka manolotra vahaolana maro. Toklony samy tonga saina ihany koa anefa ny tsirairay ka handray fanapahan-kevitra ny hampiasa azy ireny ho fiarovan-tena sy ny hafa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire