Afghanistan : Tsy manan-kaleha ireo vehivavy hiharan’ny herisetra
Vitsy sisa ireo toerana miahy vehivavy mbola sahy mijoro ao Afghanistan hatramin’ny nitondran’ny Taliban. Nitsoaka nonina tao amin’ny toby mbola misokatra i Fatema, 22 taona, rehefa niharan’ny herisetra nandrindra androantokom-piainana.Fito taona monja izy no nampanam-badiana lehilahy 80 taona. Niaran’ny herisetra ara-batana, ara-tsaina ary ara-nofo izy nandritra izany. 10 taona izy hoy izy no saika maty rehefa nakapoka tamin’ny rindrina nisy fantsika ny lohany hoy ny ONU.87% amin’ny vehivavy ao Afghanistan no efa nisedra ny niainan’i Fatema hoy hatrany ny ONU. 24 monja nefa ny toerana miahy vehivavy ao an-toerana amin’ny mponina 38 tapitrisa.
