Bealanana: Tovolahy avy namonjy fety no tapa-tanana sy voafira
04 Janoary, 09h35. Ozatra sisa no mitazona ny tanan’ilay tovolahy avy namonjy alim-pandihizana. Efa nandrasan’ilay tovolahy efa nanana lonilony taminy teny an-dalana hodiany izy. Fira antsy maranitra teo amin’ny tànany sy ny tongony no nitsenany azy teo amin’ny maizimaizina. Taitra ny fokonolona raha naheno ny antso vonjy. Tonga namonjy ilay naratra ary tsy navelany vraha tsy efa voa mafy ihany koa ilay tovolahy hafa.
