Antanimena, mpanendaka iray voasambotry ny polisy
13 Aprily, 09h30. Voasambotry ny polisy ny marainan’ny talata 13 aprily teo ny mpanendaka iray, izay avay nanao ny asa ratsiny. Mpianatra iray no lasibatra amin’izany, teo amin’ny lalana Antanimena mihazo an’Ankorondrano iny, lasany tamin’izany ny vola, finday, carte bancaire , karatra maha-mpianatra, nitsoaka anefa ity farany saingy saron’ny polisy avy hatrany.
