Iran : mitory an’i Israël ho nanodikodina ivon-toeran’ny nokleary
Miampanga an’i Israël ho ao ambadiky ny fanafihana ny orinasana uranium an’i Téhérana ao Natanz izy ireo ny alatsinainy 12 aprily. Nanome toky araka izany i Téhéran fa tsy maintsy hamaly faty ary hanamafy kokoa ny fanamboarana baomba atomika ataon’izy ireo. Efa misy anefa ny fifanarahana ara-diplomatika entina andamina ny fifanarahana iraisam-pirenena mahakasika ny nokleary iraniana. Efa 24 ora taorian’ny nisehoan’ny tranga hoy i Téhéran, nefa tsy mbola niezaka ny nanadio ny anarany akory i Israël manoloana ny fiampangany azy ireo. Voamarina izany hoy i Téhéran fa nandray anjara tamin’ny fanafihana izy ireo. Nanomboka nanandrana ireo “centrifugeuses” tao amin’io orinasa io i Téhéran ny asabotsy lasa teo raha ny fanazavana. Tamin’izany kosa no nisehoan’ny fanafihana. Mbola miandry izay ho fivoaran’ny raharaha ihany koa hatreto ireo mpikambana iraisam-pirenena.
