SocialTatitra

Haiti : Mpino katolika nisy naka an-keriny

Ahitana tranga tsy fahandriampahalemana any Haiti amin’izao fotoana izao. Ny alahady 11 aprily lasa teo, mpino katolika 7 no nisy naka an-keriny tany an-toerana , raha toa ka frantsay ny roa amin’izy ireo ary mpino mponina ao amin’ny firenena ny dimy, hoy ny nambaran’ny eveka tompon’andraikitra any amin’io firenena io. Nalaina an-keriny ny marainan’ny alahady izy ireo tao amin’ny Croix des Bouquets, izay akaikin’ny renivohitra ao Port-au Prince, raha “handeha hametraka pretra vaovao “ hoy ny fanazavan’i Mompera Loudger Mazile. Mitaky vola mitentina iray tapitrisa dolara ireo mpaka an-keriny, hoy izy. Ahitana pretra haitianina efatra ary masera iray ary frantsay roa, amin’izy ireto. Nandritran’ny fanambaran’ny tompon’andraikitra ihany no nahitana fa nisy olona telo akaikin’ireo pretra hafa ihany koa no nalaina an-keriny. Tamin’ny alahelo lehibe nefa ihany koa tamin’ny fahatezerany manoloana ny zava-misy no nilazan’ireo fikambanan’ny pretra izany. Tsy misy intsony hoy izy ireo ny fanajana ny zon’olombelona, ny fahefana ihany koa tsy manan-kery hiadihana amin’ny tsy fandriampahalemana intsony.

Laisser un commentaire