Angina Pectoris : Inona moa izany aretina izany?
Ny « Angina Pectoris » dia aretin’ny tratra aterakin’ny fihenan’ny fikorianan’ny rà mankany amin’ny fo. Fahatsapana fahateriterena, vesatra, tsindry ary faharariana eo amin’ny tratra no fambaran’izy io. Mety miseo tampoka na tsikelikely izany.
Ny fitsaboana ny aretina dia mifitotra amin’ny fihinanana « bêta-bloquants » na fanafody « antiangineux ». Miankina amin’ny hamafin’ny aretina ihany nefa ny fitsaboana izany. Azo tsaboina amin’ny lalan’ny fanovana fomba ny fiainana izany, amin’ny fihinana fanafody fa amin’ny « angioplastie » sy fandidiana ihany koa.
Ny mpitsabo « urgentiste », « réanimiste », « cardiologue », « chirurgien cardio-thoracique » kosa no tsara antonina raha tojo izany aretina izany.
