Antananarivo Renivohitra : Tontosa ny fanombohan’ny tetik’asa fanohanana ny sora-piankohonana
Notanterahina tao amin’ny biraon’ny kominina Antananarivo renivohitra, izay narahina lanonana fanolorana ireo kopia nahaterana ho an’ireo izay nisitraka ny tetik’asa « Fanohanana ny sora-piankohonana ». Ny « Organisation Internationale de la Francophonie » niara-niasa tamin’ny faritra Analamanga sy ny fitondram-panjakana notarihin’ny ministeran’ny atitany no nanatanteraka izany tetikasa izany.
« Tsy tokony ho hamaivanina ny fananana na fanamboarana ny kopia nahaterahana. Io no anisan’ny hafantarana ny zaza voalohany, ary ilainy foana iny kopia iny rehefa hiditra amin’ny sehatra isan-karany na fianarana na fahasalamana. Hisaorana ny tomponandraikitra tokoa izao tetikasa izao satria manavotra zon’ny ankizy maro » hoy i Mirana, mpampianatra amin’ny sekoly fanabeazana fototra.
« Tsy tokony hijanona ho an’ny faritra Analamanga irery ny tetikasa tahaka izao fa tokony hisitraka izany ihany koa ireo faritra hafa toa ny faritra Atsimo, mbola maro ireo zaza, ankizy tsy manana kopia sy karapanondrom-pirenena » hoy i Rova, mpilatsaka an-tsitra-po misehatra amin’ny zon’ny ankizy.
Vao fanombohana ny tetikasa ity notanterahina teto amin’ny faritra Analamanga ity, nahatratra 17 700 ireo kopia nozaraina tao anatin’izany. Mbola hisy araka izany ny fandaminana sy ny fisitrahana ny tetikasa ho an’ny faritra hafa.
Manitra Ramanantsoa
