SocialTsidika

Vangaindrano : Nizara lay odimoka ny Praiministra sy Minitry ny Fahasalamana

Tonga soa aman-tsara any Vangaindrano mba hanatanteraka ny fizarana lay misy odimoka maharitra ho an’ny mponina ny Praiministra Christian Ntsay sy ny Ministry ny Fahasalamana Zely Arivelo

Anjaran’ny faritra Atsimo Antsinanana, ao amin’ny tananan’ny Lopary indray izao ny misitraka ny fizarana lay misy odimoka izay efa fanaon’ny Fanjakana. Notsenain’ireo manam-pahefana teo an-toerana izy ireo ary nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitry ny tetikasa fizarana.

« Lay misy odimoka efatra ambin’ny folo tapitrisa mahery miady amin’ny tazomoka amin’ny alalan’ny fisorohana ny kaikitry ny moka no aparitaka manerana an’i Madagasikara mandritra ity fampielezan-kevitra 2021 ity » raha ny fanehoan-kevitry ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamambahoaka.

« Tena mety izao fizarana lay misy odimoka izao, raha atao ny fampitahana ny olona matiny Covid 19 sy ny tazomoka dia azo lazaina fa betsaka no aripakin’ny tazomoka. Koa rariny sy hitsiny ary adidy lehibe ho any Praiministra raha tonga any antoerana hitondra fanentanana bevata. Tokony handraisana fepetra manokana aza ny fomba fiatrehana ny ady amin’ny tazomoka. Tsy vitan’izany fa tokony hisy fanaraha maso hentitra ny fampiasana ireo fitaovana mba tsy atao fitadiavam-bola.Ka tokony hametraka lamina momba izany ny Minisitrin’ny Fahasalamana » hoy i Dera, tompon’andraikitra eo anivon’ny tobim-pahasalamana iray.

Misy ihany koa ireo milaza ny maha fandaniam-bola fotsiny izao hetsika izao : « Efa miroso amin’ny fampielezan-kevitra sahady ny fitondrana satria ny Praiministra mihitsy no mandeha ifotony mizara lay. Fanandaniam-bola fotsiny arak’izany izao fandehanany any izao, vitan’ny Ministra irery izany » raha ny filazan’i Andry, mponina any Vangaindrano.

Tsy tokony amin’ny fizarana harato moka intsony izao ny fomba fiadin’ny Fanjakana amin’ny fiadiana ny aretina tazomoka, satria ho ataon’izy ireo harato fanjonoana izany. Toy an’ny ao Maroc izao, tsy misy moka intsony satria nisy ny tetikady niadiana tamin’ny tazomoka, hoy kosa ny fanehoan-kevitry ny mpisehatra eo amin’ny fampandrosoana iray.

Ilaina ny fanampiana ara-tsosialy sy fiarovana ny ain’ny vahoaka tahaka izao. Mila tosika tokoa ny mponina indrindra ny any amin’ny faritany izay manamorona ny morontsiraka izay anisan’ny ahitana antontan’isa betsaka amin’ny fahazoana ny aretina tazomoka.

Mety izao asa ataon’ny fanjakana izao ary tokony hivelatra amin’ny sehatra fiahiana ara-tsosialy maro izy ireo.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire