Russie : Fahamaizana goavana tao St-Pétersbourg
Nisehoana fahamaizana goavana tao St-Pétersbourg ny alatsinainy 12 aprily. Trano lehibe iray mirakitra tantara ao amin’ny renivohitra no may kila tsy nisy noraisina intsony. Mpamonjy voina 2 tonga namono ny afo teny an-toerana no voalaza fa tsy maintsy nahiditra hopitaly. Tsy nahazoana vaovao kosa ny iray tamin’izy ireo. Nanakaiky orinasa iray ity tranom-bakoka ity ka antony tena nampihitatra ny afo. Nandefasana mpamonjy voina hafa teny an-toerana araka izany. Tsy mbola nisy ny fanazavana mahakasika ny mety ho antony nahatonga ilay fahamaizana. Mbola mitohy ihany koa ny fitadivana ilay mpamonjy voina natelin’ny afo.
