Etats-Unis : « 1-800-273-8255 », hira nampihena ny tahan’ny famonoan-tena
Hiran’ny mpanao Rap iray antsoina hoe, Logic izay mitondra ny tena anarana hoe Sir Robert Bryson Hall II ny « 1-800-273-8255 ». Nivoaka tamin’ny taona 2017 io hira io. Raha ny fanadihadiana nataon’ny BMJ (British Medical Journal) izay nivoaka ny 13 desambra teo dia nampihena ny tahan’ny famonoan-tena io hira io.Laharana an-tariby vonjimaika ao Etats-Unis hisoroana ny famonoan-tena (Lifeline) io lohatenin’ny hira « 1-800-273-8255 » io. Tafiditra teo amin’ny laharana fahatelon’ny « Billboardao Etats-Unis ny hira, ary telo herinandro monja dia tafiditra tao amin’ny « Top 100 » sy be mpihaino indrindra tao amin’ny Spotify ary nahazo hita 430 tapitrisa tao amin’ny Youtube.Mitantara fiainan’ny lehilahy iray mikasa hamono tena noho ny fanilikilhiana azy noho ny fitiavany lehilahy io hira io. Niantso io laharana io nefa ary nahavita niatrika ny sedrany. Tafiaktra 9 915 ny niantso ny laharana tao aorian’ny nivoahan’ny hira, hoy ny BMJ ary nanavotra tanora 245.
