Espagne : Lehilahy iray namono ny zanany hanasaziana ny vadiny taloha
Hita ny herinandro lasa teo tao an-tranony tao Madrid ny fatin’i Julien Charlon, teratany frantsay 47 taona sy ny zanany vavy, Abril, 3 taona. Mpaka sary no asan’i Julien Charlon. Efa nisaraka tamin’ny renin-janany Maria izy saingy mbola mifanatrika ny tranon’izy ireo. Tsy nahare vaovao momba ny zanany sy io lehilahy io intsony i Maria. Niantso azy izy saingy tsy nisy nandray nefa mbola nahita jiro nirehitra tao an-tranony ka nampandre ny mpitandro ny filaminana.Hita faty tamin’izany i Julien Charlon sy i Abril. Raha ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana dia novoin’io lehilahy io ny zazany alohan’ny namonoany tena. Fampijaliana an’i Maria no anton’izany hoy izy. Ity farany izay niditra hopitaly niaraka tamin’ny reniben’i Abril tao aorian’ny tranga.
