SocialTsidika

Alasora : Manomboka amin’ny fanaovam-baksiny Johnson&Johnson ny ao amin’ny Kaominina

Natomboka ny 01 septambra 2021 teo ny fanaovam-baksiny johnson johnson tao amin’ny Kaominina Alasora Avaradrano. Eny amin’ny CSB2 Alasora no hanaovana izany ka ny ben’ny tanàna mivady sy ny mpanolon-tsaina azy no nisantatra izany.

« Ny solontenam-panjakana no maodely ho an’ny vahoaka, ilaina tokoa ny fanaovam-baksiny ho an’ny fahasalamana ary mba tsy hiverenana amin’ny fihibohana intsony ihany koa » hoy ny ben’ny tanàna Alasora, Randriantsoa Jimmy. « Tongava manao vaksiny tsindrona tokana ihany amin’ny Johnson Johnson ary mitohy hatrany kosa ny fanaovana ny fatra faharoa ho an’ny AstraZeneca ».

Etsy an-kilany, nilaza ny mponina iray teny Alasora fa tsy mbola resy lahatra amin’ny fanaovam-baksiny : « na ny aretina ary izao efa lefy hoy ny filoha raha namory olona teny Mahamasian izy nanoloana ny kihana avy amin’ny CAF, atao inona intsony ny vaksiny, efa tsy misy eto amintsika intsony ny covid-19 » hoy izy. Safidy ary tsy terena anefa ny fanaovam-baksiny, rehefa resy lahatra ny hanao azy isika dia manatona ny tobim-pahasalamana manontany ny momba izany.

Firenena betsaka maneran-tany no miady mafy ny mba hanaovan’ny mponina eo aminy ny vaksiny, misy aza ireo sahy mividy lafo izany mihitsy. Maimaimpoana anefa izany eto amintsika ary tsy vitsy ireo efa nahavita izany teto amintsika na tamin’ny AstraZeneca na tamin’ny Johnson Johnson. Io tokoa ve no fanefitra hahafahana mandavo ity aretina ity ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire