Fandraisana an-tanana ny mararin’ny Alzheimer: manao antso avo ny fikambanana Masoandro Mody
Manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra ny fikambanana mpitaiza zokiolona Masoandro Mody mba hametrahana ny politika nasionaly ho fiahiana ny marary ny Alzeimer. Mbola laharam-pahamehana eto Madagasikara manko ny fandraisana an-tanana ny mararin’izany aretina amin’ny fitadidiana izany.
« 20 taona mialohan’ny fisotron-dronono ny olona iray dia tokony hitily ny fahasalaman’ny atidoha mba hisoroana ity aretina ity raha ny nambaran’ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Masoandro Mody » hoy i Rason Muriel, mpandray an-tanana ny marary ny Alzheimer. « Maro ireo fambara mampiahiahy mety hiteraka ny aretina, toy ny tsy fahafehezana intsony ny zavatra fanao mahazatra, ny fitokanatokana-monina, ny diabeta ny tosi-drà avo » hoy i Dokoetra Lalao.
Hotanterahina tsy ho ela ny andro maneran-tany ho an’ny fiadiana ny aretina Alzheimer ary miompana amin’ny hoe « fantaro ny aretina Alzheimer ilaina ny fitiliana ara-potoana » ny lohahevitra mandritra izany. Ny 21 septambra mantsy no andro natokana ho an’izany ary efa ho atomboka sahady ny hetsika isan-karazany hanamarinana izany. « Olona maherin’ny 100 no hisitraka izany ka afaka misoratra anarana avy hatrany eny amin’ny ivo-toerana Masoandro Mody » hoy ireo tompon’andraikitra.
Tsara raha tiliana fitadidiana ny diabeta ary ny tosi-drà mba hahafahana mitsabo sahady ny aretina raha sanatria efa mahazo ilay olona. Mila ny fanampiantsika manodidina azy ireo marary koa samia mifanome tanana.
Nicole Rafalimananjara
