ActualitésTsidika

Tsy manaiky ny hifindra eny Ambimanambola ireo mpitatitra miananstimo any amin’ny lalam-pirenena faha-7

Mangataka ny hananganana ny tobim-piantsonana vaovao ireo mpitatitra mampiasa ny lalam-pirenena mianatsimo noho ny fahalaviran’ny tobim-piantsonana izay hafindra eny Ambohimanambola. Tsy manaiky izany fifindrana eny amin’ny Fisandratana Ambohimanambola noho izany izy ireo.

« Mbola olana na ho mpandeha na ho an’ny mpitatitra manao ny zotra mianatsimo ny halaviran’ny toerana raha eny Ambohimanambola ny fiantsonana » hoy i Randrianarisoa Liva Olivier, lehiben’ny tobim-piantsonana Fasan’ny karana. « Tokony hafa mihitsy ny fiantsonana ho anay mianantsimo satria mbola hananosarotra na ny hahatongavana eny aza, aleo hananganana tobim-piantsonana hafa manokana izahay fa sahirana » hoy i Emile, mpitatitra mampitohy an’Antananarivo sy i Toliara. Naneho ny heviny manoloana izao fangatahana izao ihany koa ny Ministry ny Fitaterana, Tinoka Roberto. « Azo jerena tsara ny momba io fangatahana io, ary vonona izahay ny hidina ifotony hijery ny sakana, miaraka amin’ny vahaolana ahafahana manatanteraka izany » hoy ny Ministra.

Manahirana tokoa na ny hitaterana ny entan’ny mpandeha eny Ambohimanambola aza. Mety ho sarotra ety am-panombohana fotsiny ihany anefa izany fa rehefa zatra mandeha ho azy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire