ActualitésTsidika

Antsohihy: Tovolahy mpanao arina fandrehitra nahiditra am-ponja noho ny fihitaran’ny afo

Tovolahy 17 taona avy ao Ankaraobato, kaominina Anjiamangirina, Antsohihy no nahiditra am-ponja vonjimaika noho ny fanaovana charbon na arina fandrehitra ka nampihitatra ny afo nahatonga doro tanety. Nahatratra 55ha ny velaran-tany may tamin’izany, izay  naharingana ala sy hiaka tao an-toerana.

Maro ireo tsy nankasitra ity fampidirana am-ponja ity tovolahy ity tany an-toerana, indrindra amin’ny maha tsy ampy taona azy. Naneho hevitra mahakasika izany I Tiana mponina any an-toerana, “tsy rariny loatra ny zavatra tahaka iza, marina fa hoe mendrika saziana izy noho ny tsy fitandremana natao. Amiko tsy fanahy iniana natao  ilay nampihitatra ny afo. Izy ihany koa mbola tsy ampy taona, mpanao charbon no asany, misy sazy hafa mendrika azy ankoatra ny figadrana”

Etsy ankilany, efa misy ny sazy mifanaraka amin’ny lalàna napetraka eny amin’ireo distrika entina hiarovana ny tontolo iainanana indrindra fa amina resaka doro tanety sahala amin’izao, “ny ministera miahy ny tontolo iainana efa nanome fanofanana tety ifotony mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana, tsy maintsy voasazy ireo olona tratra amin’ny fanimbana na mandoro ny ala, ka ny fanarahana ny lalàna ihany no hita fa mahomby sy entina manafay ireo mpanimba ny tontolo”, hoy Jean Marie, tomponandraikitra any an-toerana.

Manoloana izany, miandry ny raharaha fitsarana azy ity tovolahy ity amin’izao fotoana izao. Manentana hatrany amin’ny fikajiana sy fiarovana hatrany ny tompon’andraikitra, fa indrindra mba ho mailo amin’ny tranga toa izao fa ny tampoka tsy maha lehilahy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire