ActualitésTatitra

Rwanda : i Zanzimana Ellie, no « Tarzan » afrikanina

Tovolahy avy ao Rawanda i Zanzimana Ellie, 22 taona. Tsy mahay miteny izy ary mankafia mipetraka any anaty ala. Mihinana ahitra ihany koa izy ary esoeson’ireo ankizy mpiray tanàna aminy noho izany fahasamihafany izany. Antony hiantsoan’ny olona azy hoe « Tarzan Africain » izany.

Zaza faha enina naterakin’ny mamany i Ellie. Maty avokoa nefa ireo zokiny dimy izay tsy nisy notezaina aman-taonany ka faly ny ray aman-drenin’i Ellie rehefa nahazo azy na zaza sampona aza izy.

Tsy nianatra i Ellie, natahotra olona sy tia nitokamonina izy indrindra anaty ala. Rehefa niparitaka tamin’ny tambajotra serasera kosa ny mombamomba azy dia maro ireo olona nandray an-tanàna sy nampiditra azy tany amin’ireny toerana fitezana zaza sembana ireny mba ahafahan’ny atidohany mivelatra.

Laisser un commentaire