Fanadiovana : Manomboka ny asa fanadiovana ny tatatra eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra
Dépêche 27 octobre, 15h, Manakaiky ny fotoanana’ny orana ary hitombo noho izany ireo rano miandrona sy mety hifamezivezy eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Nanatanteraka fanadiovana ireo tatatra noho izany ny avy ao amin’ny Kaominina mba hialana amin’ny mety ho fiakaran’ny rano. Fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny FES no nahatanterahana izao asa izao ary haharitra 20 andro. Manaraka ny fenitra ny fitaovana hampiasain’ireo mpiasa hanadio izany tatatra izany. Tafiditra ao anatin’ny asa iombonana Haute Intensité de Main d’œuvre (HIMO) moa izao asa izao.
