Maurice : Mifototra amin’ny fifanajana ny fifandraisan’ny nosy sy i Chypre
Tonga nanolotra ny « lettres de créance » tamin’ny filoha Pradeep Roopun ny kaomisera ambony ny repoblikan’i Chypre monina ao Afrique du Sud, Antonis Mandriti. Notontosaina ny 21 aogositra teo tao amin’ny State House tao Réduit izany.
Nilaza i Antonis Mandriti taorain’izany fihaonana izany fa nisy ny fifampiresahana nahavokatra tamin’ny filoha sy ny fanamafisana ny fifandraisana tsara izay misy eo amin’ny firenena roa tonta. Raha ny fanamafisany dia mifototra amin’ny fifanajana ary indrindra eo amin’ny fifampiraharahana (conditions mutuelles) izay fifandraisana izany nohon’ny naha samy firenena voazanaka azy ireo.
Tsy adino nefa hoy i tompon’andraikitra io ny fifampidinihana momba ny sehatra samihafa hampandrosoana ireo nosy kely roa ireo.
