Etats-Unis : Raikitra ny fifampitifirana tao amin’ny lisean’i Missouri
Nisehoana fifampitifirana tao amin’ny lisean’i Missouri ny 24 oktobra teo. Fantatra fa lehilahy nianatra tao amin’ny sekoly taloha ihany io no nitarika io fitifirana tao an-toerana io. 19 taona ilay tovolahy, antsoina hoe Orlando Harris. Nahafaty ny mpampianatra fanatanjahantena tao amin’ny sekoly sy tovovavy iray 16 taona ity farany nandritra ny fitifirany.
«Fusil semi-automatique AR-15 » no nentin’i Orlando Harris tao amin’ny lisean’i Missouri io raha ny tatitrin’ny lehiben’ny polisy tao an-toerana, Mike Sack. Nanamafy izy fa nitondra bala maherin’ny 600 teny aminy ilay tovolahy. Voatery nitifitra an’i Orlando Harris moa ireo polisy ary nandavo azy. Nahitana taratasy kosa tao amin’ny fiaran’ilay tovolahy nirakitra hoe « Tsy manana namana aho, tsy manana fianakaviana, tsy nanana olon-tiana mihitsy, tsy mbola nanana fiainana ara-tsosialy mihitsy. Nanirery sy nitoka-monina aho nandritra ny fiainako ».
