ActualitésTsidika

Fampianarana ankapobeny: Hasiam-panovana ny firafitry ny fampianarana eny amin’ny kilasy ambany.

Hoentina eo anatrehan’ny fivoriana ara-potoan’ny solombavambahoaka ity tetik’asa iray ity. Hasiam-panovana ny firafitry ny fampianarana eny amin’ny kilasy taona voalohany. Haharitra 6 taona izany raha 5 taona teo aloha ry ny kilasy taona faharoa kosa dia hafoezina haharitra 3 taona monja. Kilasy faha 6 ny mpianatra vao hahazo ny mari-pahaziana CEPE noho izany. Hofaritana mandritra izany ihany koa fa ity kilasy taona faharoa ity ho lasa tsy maintsy hatrehina ho an’ny zaza Malagasy rehetra toy ny kilasy taona voalohany.

“Ity fanovana ity ,no heverina hitondra tombontsoa ho an’ireo mpianatra ireo. Ny kilasy “sécondaire” izany manomboka izao dia ho faritana fa tsy maintsy lalovan’ny mpianatra rehetra eto Madagasikara. Izany hoe tokony mahazo ny mari-pahaizana “BEPC” izy ireo vao afaka mijanona. Tokony manomboka amin’ny 5 taon ny ankizy dia hampidirina mianatra ary mandalo ny “préscolaire” aloha dia avy eo ny “primaire”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fampianarana.

“Tsy terena ho tanteraka anaty fotoana fohy daholo ireo tetik’asa ireo fa hatao mandeha miandalana aloha satria na ireo mpianatra aza ho sahirana raha atao maimaika daholo ireo zavatra rehetra ireo”, hoy hatrany ny fanazavana.

“Misy fahatsarany ihany ny fanolorana izany volavolan-dalàna izany fa raha te hampiakatra ny fari-pahaizan’ny mpianatra dia ny programam-pampianarana izany hoe ireo lesona rehetra no hasiam-panavaozana ary hampidirina ny resaka teknolojia izay tsy mitsaha-mivoatra amin’izao fotoana izao”, hoy i Irène, mpikaroka momba ny fampianarana eny amin’ny anjery manontolo.

Ilaina ny fanamboarana sy ny fanovana maro samihafa mahakasika ny fampianarana fa ilaina ihany kao anefa ny mampitombo ny isan’ny mpianatra indrindra any amin’ireo faritra alavitra andriana izay malaina ireo Ray aman-dReny amin’ny fampianarana ny zanany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire