Ambohimiadana Andramasina : Nahazo « kits scolaires » ireo mpianatra ao amin’ny Sekoly Soamiafara
Sarotra hoan’ny ray aman-dreny ny miatrika ny fidiran’ny mpianatra indrindra ny eo amin’ny lafiny amin’ny fividianana fitaovana. Nanolotra fitaovam-pianarana ny fikambanana mampiroborobo ny fanabeazana hoan’ny rehetra, ny association Clair de lune Madagascar amin’izao andiany fahadimy izao.
Fitaovam-pianarana miisa 340 no natolotr’izy ireo tamin’izany ary nahitana kitapo, kahie, pensily hazo, penina, fanipika, compass izany. Nisitrika izao fanampiana izao ny mpianatra ao amin’ny sekoly Soamiafara ao Ambohimiadana Andramasina. Maro ireo orinasa nanampy sy nanome fanampiana ny Fikambanana Clair de lune amin’ny fanampiana atao amin’ny fanohanana ny fanabeazana hoan’ny ankizy. Niara-niasa tamin’ny fikambanana ny Société general, Solidis, MCB, Jumbo Score, Zanatany ecobag, Miangaly Confection Mdg. Nanolotra latabatra sy seza hoan’ny sekoly garabola ihany koa ny fikambanana tamin’ny fizarana kits scolaire. Faly avokoa ireo ray aman-dreny sy mpianatra nahazo izao fanampiana izao. « Misaotra sy mankasitraka ny Clair de lune izahay fa tena manamaivana ny fidiran’ny mpianatra izao fanampiana omeny izao » hoy ny solontenan’ny ray aman-dreny ny mpianatra, Julianna.
Nisafidy ity fianarana miala 80km ny renivohitra ity ny fikambanana ho fanitarana ny hetsika hataon’izy ireo ary indrindra ho fanampiana ireo tena marefo. Ireo andiany taloha dia notanterahina teny Analavory, Ambila Lemaitso. Nahazo tsakitsaky (goûter) avy amin’ny fikambanana ihany koa ireo mpianatra nanatrika ity fizarana fitaovam-pianarana ity. Hirariana mba hilamina ny fidiran’ny mpianatra izay hanomboka ny 01 Septambra izao ary tontosa hatramin’ny farany taom-pianarana 2021-2022 ity.
Sitraka Rajaonarivony
