Inona avy no laharam-pahamehana any Ambohimanga Rova ?
Samy manana ny tsy ampy aminy ny kaominina tsirairay, ny famaliana ireo hetahetam-bahoaka no vahaolana hampandrosoana ny firenena. Miainga amin’ny tsy ampy ny tokony atao ary avy amin’izay no hananganana ny tetik’asa maro. Raha ho an’ny Kaominina Ambohimanga manokana, inona avy ireo tsy ampy ho an’ny mponina any an-toerana ?
« Làlana mankany Imerimandroso iny izao no tena tokony hohamboarina mba hahafahana mampifandray mivantana ny aéroport sy Ambohimanga ka azo antoka fa hampiroborobo ny fizahan-tany ety amintsika » hoy i Raymond, mponina any an-toerana. « Ny jiro amin’ny tapany andrefan’Ambohimanga, sy ny faritra avaratra sy atsinanana mila jiro mba hisian’ny fandriam-pahalemana sy ny fahazavana » hoy kosa i Faly. « Tsy ampy ny rano kanefa ny rano no aina tena antoky ny fahasalamana ary rehefa salama ny mponina dia mandroso ho azy ny kaominina » hoy kosa i Veron mponina any an-toerana.
Efa isan’ny toky nomena ny mponina nandritra ny fampielezan-kevitra anefa ny famaliana ireo hetaheta ireo kanefa mbola izao ny zava-misy. Rehefa mandroso ny isaky ny kaominina dia handroso ny firenena, tokony hovaliana sy hotanterahina ny hetahetam-bahoaka.
Nicole Rafalimananjara
