ActualitésTsidika

Alasora : 1068 ny isan’ny zaza teraka nandritra ny taona 2022

Tamin’ny famaranana ny taona 2022 lasa teo, namoaka ireo tarehimarika izay nanamarika iny taona iny ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. Hita ao anatin’izany tarehimarika izany ny mahakasika ireo zaza teraka sy ny fisoratam-panambadiana izay tanteraka tao amin’ny kaominina, ary ny isan’ireo nodimandry.

« Anisan’ny nanamarika ny taona 2022 ho an’ny kaominina ireo tarehimarika izay nivoaka tamin’ny faran’ny taona teo. Tao anatin’izany miisa 555 ireo vita mariazy tao an-toerana, manodidina ny 1068 ny isan’ireo teraka nandritra ny taona ary 418 ireo maty » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.

« Zava-dehibe ny fampahafantarana ny tarehimarika tahaka izao mha hahafantarana ireo zava-misy sy ny fitombon’ny mponina amin’ny toerana iray. Amin’ny tombana tahaka izao no hamaritana ny fanarahan-dalana sy ny ny fahazotoana amin’ny fikarakarana eny amin’ny kaominina » hoy i Tefy, mpisehatra momba ny mponina.

Marihina moa, fa anisan’ny ahafantarana ny fanarahan-dalànan’ny mponina ny fandraiketena an-tsoratra ny tarehimarika tahaka izao. Izany tokoa izay mila am-pandalovina ao amin’ny kaominina, ary mila fanamarinana na ny fahaterahana na ny fanambadiana na ny fahafatesana amin’ny faritra iray.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire