ActualitésTatitra

Comores : Nanamafy ny hetsika fiarovana ny « Roussette de Livingstone » i Wallah-Mirereni

Karazana ramanavy mampiavaka an’i Comores ny « Roussette de Livingstone ». Biby arovana ao amin’ny valan-javaboarin’i Mwali izy io izay miasa betsaka amin’ny « pollinisation » ny voninkazo sy ny fanapariahana voa. Mandray anjara amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny ala sy ny fitehirizana ny tondradrano izy manoloana izany.

Nankalazana ny 28 desambra 2022 teo ny andro ho an’ny « Roussette de Livingstone » andiany faharoa. Hetsika izay hiarahan’ny valan-javaboarin’i Mwali sy ny Mdsecom (Mouvement pour le développement socio- économique et culturel de Wallah-Mirereni) ary ny kaominina miasa. Tanjon’io hetsika io ny fanentanana ireo mpisehatra samihafa ao amin’ny nosy amin’ny fiarovana io biby mampiavaka an’i Comores io. Marihana fa ao amin’ny ala ao Mwali sy Ndzuani ihany no ahitana io karazana ramanavy lehibe io.

Laisser un commentaire