Dépêches

Foto-drafitr’asa : Lalana mirefy 1000km no ho vitaina amin’ity taona 2023 ity.

Dépêche 04 janvier, 14h30, Maro ireo fampanantenana izay napetraky ny Fitondram-panjakana ho vitaina amin’ity taona 2023 ity. Ny tena miavaka indrindra amin’izany dia ny famitana ny lalana maro eto Madagasikara. Mirefy 1000km ny lalana vinavinaina ho vitaina amin’ity taona ity. Vinavinaina ho vita ny tapaky ny taona ny RN44 izay, eo ihany koa ny RN10 izay eo Ambovombe sy Andranovory ary ny RN31 izay eo Antsohihy sy Bealanana. Ankoatra ireo dia mbola eo ihany koa ilay lalam-be migodana izay mampitohy an’ny Antananarivo amin’ny Toamasina sy ireo lalana maro samihafa ho vitaina amin’ity taona 2023 ity. 

Laisser un commentaire