Fahasalamana : Hisy fanovana amin’ireo handray sy hanoro lalana ny marary eny anivon’ny Hôpitalim-panjakana
Dépêche 24 avril, 14h, Hiova ho ireo mpitsabo mpanampy no handray sy hanoro lalana ireo marary sy ireo mpitondra marary any anivon’ny Hopitalim-panjakana. Ny tanjona amin’izany di any ahafahana manatsara ny fandraisana ireo marary. Anisan’ny mampitaraina ny olona hatrany ny faharatsian’ny fomba fandraisana ireo marary hatramin’izay. Hotolorana fampiofanana mifanaraka amin’izany izy ireo ahafahany manatanteraka ny adidiny satria araka ilay fiteny Malagasy iray dia « izay marary andrianina ». Efa misy eny anivon’ny Hopitalim-panjakana miisa 3 ireo mpandray marary ireo ary hotohizana amin’ireo Hopitaly rehetra hafa izany.
