Antananarivo renivohitra : Zazalahy tsy ampy taona tra-tehaka nangaro-paosy
Tovolahy mpanendaka mpandeha ao anaty fiara fitateram-bahoaka ny tra-tehaky ny polisy nanao fanamiana sivily, omaly, teny Anosibe. Taorian’ny fitarainana manoloana ny fisiana mpanendaka anaty fiara fitateram-bahoaka, izay mitondra antsy mandrahona mpandeha, nidina ifotony ireo mpitandro filaminana ka sarona nandritra izany ny olon-dratsy miisa roa ka vao 16 taona monja ny iray.
« Nisesisesy loatra ny asa ratsy sy ny tsy fandriam-pahalemanana tato ho ato, mandray ny andraikiny manandrify azy hatrany ny mpitandro filaminana manoloana ireny tranga ireny, tsy mipetra-potsiny fa manao izay azony atao amin’ny famaliana ny vonjin’ny vahoaka » hoy ireo mpitandro filaminana.
« Ny lalàna famaizana faran’izay mafy no tsara omena ny jiolahy tahaka izao. Efa mafy loatra ny ampitondrain’itony ny mpandeha ka tokony omena ny sahaza azy » hoy i Alain, mpandeha fiara fitateram-bahoaka.
Manoloana ity tranga ity, nandray fepetra mahakasika azy ireo ny mpitandro filaminana. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ity farany, voalaza fa efa nigadra teny Antanimora ny iray tamin’izy ireto, izany hoe efa mpamerin-keloka. Tsy ampy azy ve araka izany ny sazy nomena azy ka mahatonga azy mamerina ny asa ratsiny indray ?
Manitra Ramanantsoa
