ActualitésTsidika

Masindray: Mivelatra amin’ny fanaovana asa sosialy ny fikambanana ZMMA

Nanolotra materialy ho fanampiana ny fiangonana tao amin’ny fokontany Imeritsiadino, ny avy amin’ny fikambanan’ny Zanak’i Masindray Mandray Andraikitra. Anjara biriky nentin’ny fikambanana hanohanana ny fiangonana, araka ny fangatahan’ity farany izany, afaka ny voalaza.

« Araka ny fangatahan’ity fiangonana dia Tonga nanatitra ny anjara biriky, simenitra, amin’ny asa fananganana ny rari-vaton’ny fiangonana ny avy amin’ny fikambanana, notarihin’ny filoha lefitra. Ankoatra ny fampivoarana ireo mpikambana dia Mivelatra amin’ny fanaovana asa sosialy ihany koa ny fikambanana » hoy ireo tomponandraikitra.

« Araka ny nahafantarana ny fikambanana hatramin’izay ihany koa dia misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo herivelona rehetra ny fikambanana » hoy hatrany ny fanazavana.

Hatramin’izay moa, dia hita taratra ny fandraisana an-tanana sy ny fanohanan’ny fikambanana ny tanora, indrindra amin’ny fanomezana ireo fiofanana samihafa ho fampivoarana azy ireo.

Laisser un commentaire