Dépêches

Rejisi-pifidianana: Hofaranana ny 20 jolay izao

Dépêche 14 juin, 13h, Nifarana ny 10 jona lasa teo ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Nahomby ny ezaka satria dia nihoatra ny antontanisa azo tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (RALE 2021-2022) natao farany teo. Miisa 10 768 137 no tafiditra raha 10 749 934 izany tamin’ny RALE, izany hoe manantombo 18 203. Hatao petadrindrina eny anivon’ny fokontany io lisitra nofaranana ny 10 jona io ary manana 20 andro anaovana fanamarihana sy fanamarinana ny olom-pirenena tsirairay. Ny 17 jolay 2023 no hofaranana tanteraka ny lisitra eny anivon’ny distrika. Manana roa andro aorian’izay ny CENI foibe hanaovana ny fanamarinana sy fanalana ny mety ho miverimberina. Ny 20 jolay no hofaranana tanteraka ny Rejisi-pifidianana nasionaly

Laisser un commentaire