Ankadikely Ilafy : Nahazo fitaovana ireo sampan-draharaha ao amin’ny Kaominina
Nisy ny fanolorana fitaovana ho an’ireo sampan-draharaha efatra misehatra eo amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ankadikely Ilafy. Ilaina tokoa mantsy ny manatsara hatrany sy manafaingana ny asa tanterahina ho an’ireo vahoaka manan-draharaha.
« Notoloran’ny Kaominina Ankadikely Ilafy solosaina miisa efatra sy imprimante ireo sampan-draharaha efatra mila izany teto amin’ny Kaominina izay azo avy amin’ny volan’ny kaominina madiodio » hoy Rajaonah Rija, Ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy. « Tena ilainay hanaovana ny asam-bahoaka tokoa ireto fitaovana ireto satria tsy ampy mihitsy ny teto am-pelatanana » hoy ireo mpiasa eo amin’ny Kaominina. « Mila manaraka ny toetr’andro tokoa isika amin’izao mba hanamorana ny asa ho fahafaham-pon’ny besinimaro » hoy i Clotilde, mponina any Ankadikely.
Ny fampiasana ny hairaha tokoa no isan’ny manamora ny fiainana kanefa mila fehezina tsara fa mety hanimba raha tsy hay ny mampiasa azy. Amin’izao fahazoana fitaovana vaovao izao, azo antoka ve izany ny hafainganan’ny asa atao eo amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy ?
Nicole Rafalimananjara
