Farafangana : Mifindra monina ireo mponina noho ny fandrahonana ataon’ny dahalo
Nanapa-kevitra ireo mponina fa hifindra monina ka hiala ao an-toerana noho ny fandrahonana ataon’ny dahalo ny amin’ny mbola hiverenany indray.
Raha tsiahivina mantsy dia vao andro vitsivitsy lasa izay may nodoran’ireto dahalo ny tranon’ireo mponina ao Maropagnahy, ankoatra izay dia voavono sy voaratra ihany koa izy ireo ny androtr’io ihany. Levona hatramin’ny sekoly tao an-toerana mihintsy aza noho ny nataon’ireo dahalo.
« Hatramin’ny zaza vao herinandro monja dia entina mitsoaka any anaty ala noho ny asan-dahalo, mihorohoro izahay ary mandry andriran’antsy tanteraka » hoy i Besalo anisan’ireo lasibatra tamin’ny asan-dahalo.
« Tsy hay hoe ny olona ankehitriny ve no be setrasetra sa ny fiainana no efa sarotra ka miteraka fanaovana asa ratsy toy izao, potika mihintsy ny akabeazan’ireo tanora ankehitriny, mila atao matanjaka ihany koa ny fitaizana azy ireny eny anaty fiaraha-monina, fa indrindra anefa mba angatahana ny fitondram-panjakàna hidina an-tsehatra hijery ireo vahoaka fa mijaly izy ireo » hoy i Feno mpandinika fiaraha-monina.
Hita sy tsapa ny fijalian’ireo mponina ao Farafangana amin’izao, ka angatahana ireo izany malala-tanana mba hijery sy hanampy azy ireo. Miantso ireo mpitandro ny filaminana misahana ny asan-dahalo ihany koa mba hidina an-tsehatra hijery ifotony ny zava-mitranga ao an-toerana.
Lovasoa Tojonirina
