Iza amintsika no vonona handeha « téléphérique » ?
Tontosa ny marainan’ny alatsinainy 20 septambra 2021 tao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny frantsay tao paris ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny governemanta Malagasy sy ny tahirim-bolam-panjakana frantsay, mikasika ny fanatanterahana ny tetik’asa hametrahana ny fitaterana mandeha amin’ny tari-by na ny « téléphérique ». Fifanaovan-tsonia izay notanterahin’ny minisitry ny toe-karena sy ny vola malagasy Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, sy ny minisitra mpisolo toerana ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay Franck Riester.
Raha tsiahivina dia nambaran’ny filoha nandritra ny famelabelarana ny veliranony fa tafiditra ao anatin’ny tetik’asan’ny filoha ity fitaterana vaovao ity ka Zotra roa no hapetraka eto Antananarivo ka ahitana zotra roa izany. Ny zotra mena izay hampitohy an’anosy sy Ambatobe, lalana mirefy 9,21kilometatra ary misy fiantsonana miisa 4 sy andrim-by na « pylones » miisa 19. Hampitohy an’anosy sy ambanidia kosa ny zotra mavo, izay mirefy 2,6 kilometatra ka ahitana fiantsonana miisa 8 sy andrim-by miisa 56.
« Mila arenina ny fitaterana eto Antananarivo, fomba iray entina miady amin’ny fitohanan’ny fiara ity fitaterana vaovao ity » hoy ny teo amin’ny fitondram-panjakana raha nanao ny fanambarana ampahibemaso voalohany an’ity tetikasa ity izy ireo ny volana desambra 2020.
« Mendrika ny hisitraka fampivoarana amin’ny fitaterana ny vahoaka Malagasy » hoy i Harisoa, mponina eny ambatobe. Nilaza koa izy fa mahatsiaro sahirana rehefa hamonjy fodiana ny hariva rehefa avy nanatanteraka ny asany.
« Hampitombo ny olana amin’ny herin’aratra efa misy eto amintsika ity foto-drafitr’asa ity » hoy kosa i Koloina, mpanao « multiservices » eny anosy, nilaza koa izy fa na amin’izao aza dia olana sedriny amin’ny asany ny fahatapahan-jiro.
Ny ezaka fanesorana ireo tsena mampiasa ny lalan’ny mpandeha an-tongotra sy ireo mampiasa ny ampahany amin’ny lalan’ny fiara atao fijanonan’ny fiara no vahaolana voalohany amin’ny ady amin’ny fitohanan’ny fiara eto an-drenivohitra fa tsy ny famoronana fitaovam-pitaterana vaovao, ary tokony ny tetikasa fanampiana ny vahoaka no tokony atao laharam-pahamehana.
Aurélien Razafimiandry
