ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Misy ny hetsika ara-pahasalamana ho an’ny mponina

Misy ny hetsiaka ara-pahasalamana ho an’ny mponina izay atolotry ny orinasa Axelle/Cadence ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Nanomboka ny talata teo ny fanentanana amin’ izany ary ny fizaham-pahasalamana kosa dia tanterahana anio sy rahampitso zoma 13 oktobra. Natao indrindra ho fitsinjiovana ny mpiasa ao amin’ny orinasa sy ny mponina ao amin’ny kaominina izany, araka ny voalaza.

“Ao anatin’ny lafin’ny sosialy amin’ny dingana RSE dia tanterahana ny  10 ka hatramin’ny 13 Oktobra ny hetsika ara-pahasalamana ho an’ny mponina eto amin’ny kaominina Ansoy Avaratra. Hita mandritra izany ny fanentanana faobe sy tolotra maimaim-poana amin’ny fandrindram-piterahana, fitiliana homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, fizaham-pahasalamana ary ny fanofanana amin’ny palpitation nono” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Ny orinasa Axelle/Cadence dia mandinika ny fahasalaman’ny mpiasa ao aminy sy ny an’ny mponina eto amin’ny kaominina, izany indrindra no hanentanana sy hanasana ny rehetra ho avy satria misokatra ho an’ny daholo be ny hetsika” hoy hatrany ny fanazavana.

Ny fahasalamana no voalohan-karena. Fotoana fanararaotana hanaovana ny fizaham-pahalamana ny hetsika tahaka izao. Misy moa ny fiaraha-miasa sy faiaraha-mientana eo amin’ity orinasa ity sy ny kaominina ary ny ekipa avy amin’ny Marie Stops Madagascar amin’izao hetsika izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire