Alasora : Nizara fanomezana ho an’ireo mpianatra amin’ny EPP ny avy amin’ny kaominina
Nanatanteraka hetsika fizarana fanomezana kilalao ho an’ireo mpianatra amin’ny EPP rehetra tao anatin’ny kaominina ireo tompon’andraikitra misahana izany fiadidiana izany, ny faran’ny herinandro teo. Niaraka nifanome tanana tamin’ny fizarana izany, raha ny voalaza, ny Miss Fantsoa Hortensia, izay zanak’Alasora.
« Manao ezaka hatrany ny ben’ny tanàna eto an-toerana amin’ny fanakaikizana ny vahoaka, indrindra amin’ny fitondrana tsiky sy hafaliana ho an’ireo ankizy madinika, indindra amin’izao fankalaza ny noely izao » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.
« Zava-dehibe ho an’ireo mpianatra madinika ny hetsika fanomezana kilalao tahaka izao. Isaorana ireo tompon’andraikitra lehibe satria ilain’izy ireo izany amin’izao andro fety izao, mahavelombolo sy fanantenana ho azy ireo » hoy i Christine, mpampianatra.
Anisan’ny manamarika ny andron’ny noely tokoa moa, indrindra ho an’ny ankizy ny kilalao sy ny vatomamy. Zava-poana ihany ho azy ireo raha tsy misy ny fanomezana tahaka izao, mandritra ny fankalazana ity andro malaza ity.
Manitra Ramanantsoa
