ActualitésTatitra

Brésil : Manan-janaka miafina ve i Pelé ?

Raha tsiahivina dia namoy ny any teo amin’ny faha-82 taonany ny volana desambra teo ny mpanjakan’ny baolina kitra Edson Arantes do Nascimento fantatra amin’ny anarana hoe Pelé. Araky ny taratasy fandovana napetrak’ity farany dia ho an’ny vadiny fahatelo sy ny vadiny farany, Marcia Cibele Aoki ny 30% ny fanany izay misy trano sy ampahany amin’ny tombon’ilay marika « Pelé ».

Ny 70% ny fanana kosa dia ho an’ny zanak’i Pelé 7 mianadahy saingy nanao fanambarana ny mpisolovava mpiandraikitra io antontan-taratasy io fa misy vehivavy iray hafa voatonona ao amin’ireo mpandova. Avy ao Brésil ihany io vehivavy io raha ny fantatra, tsy misy fantara ny mombamomba azy saingy heverina fa zanak’i Pelé niafina izy.

Efa tamin’ny volana septambra 2022 no nitaky ny hanaovana « test ADN » tamin’io vehivavy io sy ilay mpilalao baolina kitra ny tribonaly tao São Paulo saingy tsy tanteraka izany noho ny valan’aretina sy ny toe-pahasalaman’i Pelé. Andrasana kosa ny fanatontosana izany ary ny iray amin’ireo zanak’i Pelé 7 no hanamarinana izany.

Laisser un commentaire