ActualitésTsidika

Alasora: Hisy ny fanamboaran-dalana manomboka androany

Hisy ny fanamboaran-dalana  amin’ny sampanana Ambatonjara sy Ambodivoanjo, kaominina Alasora manomboka anio zoma, araka ny filazana nataon’ny avy ao amin’ny kaominina. Hatramin’ny alatsinainy izao no hanatanterahana ny asa fanamboarana, raha ny voalaza.

« Manoloana ny faharatsian-dalana efa nampimenomenona ny mponina dia hisy ny asa fanamboaran-dalana ataon’ny kaominina. Haharitra telo andro izany ka mitondra ny fialan-tsiny sahady amin’ny mampiasa ny lalana ny fanelingelenana haterak’izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

 » Efa ela no niandrasana ny fandraisana fepetra amin’ny fanamboaran-dalana izao. Hisaorana ireo tomponandraikitra satria tena mampijaly ny faharatsian’ny lalana eto ary tokony hanaovana fanentanana ny fikojana izany » hoy i Anja, mponina ao Alasora.

Mbola maro ireo lalana simba eny amin’ireo fokontany ao Alasora fa tsy ny Ambatonjara ihany. Manantena ny fitohizan’ny asa amin’ny fokontany hafa araka ny mponina aorian’izao fanamboarana izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire