Polytechnique Vontovorona: Mpianatra miisa 4 hiatrika ny biraon’ny fitsipi-pifehezana na Codis
Taorian’ilay fitokonana izay nataon’ireo mpianatra avy eo amin’ny Polytechnique Vontovorona dia namoaka taratasy ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo ny hanatanterahana ny Codis amin’ireo mpianatra miisa 4 ireo ny 20 martsa izao. Mialohan’izany dia tsy mahazo miditra ny faritry ny toeram-pianarana eny an-toerana ireto mpianatra ireto ary tsy maintsy miala ny sekoly avy hatrany izy ireo.
Arak any taratasy azo hatrany izay natolotra ho an’ny Talen’ny Sekoly Ambony Polytechnique Antananarivo ity dia noho ny tsy fanekena sy ny tsy fametrahana taratasy fahazoan-dalana hitokona no anton’izany. “Nandritra ny fitokonana ihany koa ireo mpianatra dia nanao teny fanompana izay niantefa tamin’ny Filoham-pirenena”, hoy ny Talen’ny Sekoly raha nanazava ny taratasy izay voarainy.
“Hiato mandritra ny iray volana ihany koa ny fampinarana. Raha haato ny fampianarana dia hiteraka fatiantoka ho an’ny rehetra ihany koa izany. Etsy andaniny anefa mitaky ny zony ny mpianatra, tokony vahaina aloha ilay olana dia jerena hatramin’ny fotony satria isan-taona dia miverina hatrany io olana io. Ireo mpianatra mitaky ny rariny indray no mitady ho voasazy. Tokony misy ny fifampiresahana satria raha mitohy io dia ho avy ihany koa ny mpianatra Ankatso dia ho toy izao hatrany ny olana”, hoy ireto mpianatra eny amin’ny Polytechnique Vontovorona.
Mila mianatra ny mpianatra, tokony hikarohana vahaolana ny hanohizana ny fampianarana aloha izay marihina fa hiato mandritra ny iray volana. Mila miady mafy ihany koa ny mpampianatra satria asa masina ny asa fampianarana ka izay hahasoa ny tanora no trandrahina.
Miora Raharisolo
