ActualitésTatitra

La Réunion : Velona indray ny riandrano Vincendo

Nisehoana orambe nivatravatra tao La Réunion ny herinandro lasa teo. Tafiditra tao anaty faritra volomboasary mihitsy ny faritra andrefana, atsimo ary atsimo-atsinanan’ny nosy. Ankoatra ny fahasimbana mety naterak’izany dia nitondra zava-tsoa tao an-toerana ihany koa io toetry ny andro io.

Velona indray ny riandrano Vincendo ao Saint-Denis. Marihana fa manandalo na irony riandrano tsy maharitra (éphémère) irony io hita ao an-toerana io. Maina izy mandritra ny taona ary amin’ny fotoan’ny orambe nivatravatra ihany izy no velona.

Laisser un commentaire